HANITR'ONY
Hanitr'Ony
IZAY VOALAZA... | CE QUI EST DIT...
“Tanora vao herotrerony kanefa dia efa manan-toerana lehibe eo amin'ny sehatry ny haisoratra malagasy.”
Havatsa Notsongaina
“Encore dans la fleur de l'âge, cette jeune poétesse a déja sa place dans la littérature malgache contemporaine.”
Havatsa Notsongaina
VAOVAO | NOUVELLES
- Tsirin-kalokalo : amboaran-tononkalo ho an'ny ankizy
- TIAKO : singan-kapila manjelatra
- Bitsiky ny Ankizy : fandaharana an'onjam-peo ho an'ny ankizy, atolotr'i Hanitr'Ony - Radio Bitsika
- Fampianarana teny malagasy ao Parisy
- Bourgeons de poèmes : recueil de poèmes pour enfants
- J'AIME : chansons sur CD
- Murmures des Enfants : une émission radiophonique bilingue pour enfants, conçue et animée par Hanitr'Ony - Radio Bitsika
- Cours de malagasy à Paris
VOASORATRA... | C'EST ECRIT...
"KALO HO ANAO" "CHANSON POUR TOI"
Ny kalokalon'ny gitarako Les chansons de ma guitare
Ry Sakaiza no anjarako Mes amis, sont de ma part
Fanomezana ho anao Le présent que voilà
Fisambarana vaovao Nouveau bonheur, nouvel émoi
Tsy ny fofin-drandram-bao Ce n'est ni la coiffe qui sied
Sori-kintana katsaho Aux étoiles tracées, cherchez...
Na dom-panalan'ny maraina Ni l'ondée de la rosée matinale
Tsy an-tsandrin'ny lalaina Esseulée et glaciale
Fa tera-kira nohiraina C'est le chant nouveau né
Tonony azo tantaraina Dont les mots vont conter
Ilazako ny ao anaty Le coeur de mes entrailles
Falim-po na fy tsy tanty Pensées qui me tenaillent
Mety ho soritry ny ambiaty Ils pourraient être empreints
Eny an-tonon-taona mantsy Des fleurs du printemps
Nefa hisedra mba ho antarako Mais ils toucheraient du lac le fond
Ny "kalo ho anao"n'ny gitarako ! Pour vous, ces chansons!
Hanitr'Ony (traduction par l'auteur)